Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Antoka ny Tenin’i Jehovah

Azo Antoka ny Tenin’i Jehovah

Hira 108

Azo Antoka ny Tenin’i Jehovah

(Josoa 23:14)

1. Rehefa miteny Jehovah Tompo

Dia azo antoka fa ho to.

Izay lazainy sy ’zay kasainy,

Tsy maintsy tanteraka avokoa.

2. Josoa nahita ka nanambara

Ny hatsaram-pon’i Jehovah.

Izay rehetra nampilazainy,

Dia tsy nisy ’zay tsy tanteraka.

3. Jehovah Tompo nampanantena,

Ary ny teniny tsy miova.

Isika mino sady matoky,

Satria Jehovah tsy mivadika.

4. ’Zay nolazainao, Jehovah Rainay,

Dia tena azo itokiana.

Rehefa tonga ny Paradisa,

Hidera anao izahay, Jehovah.