Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Balsama any Gileada’

‘Balsama any Gileada’

Hira 182

‘Balsama any Gileada’

(Jeremia 8:22)

1. Ilay balsama miavaka

Any Gileada

Dia ny fampaherezana

Omen’i Jehovah.

Izy io no manatanjaka

Ireo ’zay ketraka,

Mampionona ny fon’ireo

Namoy havan-tiana.

2. Tsarovy fa i Jehovah

Dia be “fitiavana”,

No sady Andriamanitry

Ny fampiononana.

Koa mazotoa mivavaka,

Mihaino anao izy.

Izay rehetra mampanahy,

Resaho aminy.

3. Ny Tenin’Andriamanitra,

Vakio sy saintsaino.

Ny fampanantenana ao

Mampionona tokoa.

Manampy anao hiaritra,

’Reo rahalahy matotra

’Zay tia anao, ka tsy mandao

Amin’ny sarotra.

4. Hevero koa ’reo toa anao,

’Zay tena ketraka.

Ampio ireo ’zay voasedra,

Mba tsy hivadika.

Ho tsapanao amin’izay

Ny fampiononana,

Dia ’lay balsama tena soa

Any Gileada.