Banjino ny Fiainana Mandrakizay!
Hira 15
Banjino ny Fiainana Mandrakizay!
1. Indro ny Paradisa!
Tafaray ny rehetra.
Foana tokoa ny sento,
Sambatra ny olona.
(Averina isan’andininy)
2. Ny olona sy ny biby
Dia hihavana tsara.
Homen’i Jah antsika,
Sakafo tondraka.
(Averina isan’andininy)
3. Ny antitra ho tanora,
Ka ho tena salama.
Tsy hisy ny tomany,
Na koa ny tahotra.
(Averina isan’andininy)
4. Hifaly ny rehetra
Noho ny Paradisa.
Isan’andro, lazao koa:
“Misaotra, Jehovah!”
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Mihirà sy mifalia.
Banjino ny hoavy.
Ho sambatra isika,
Hiaina mandrakizay.