Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Be Fitiavana Ilay Andriamanitra Tsy Mivadika

Be Fitiavana Ilay Andriamanitra Tsy Mivadika

Hira 114

Be Fitiavana Ilay Andriamanitra Tsy Mivadika

(Isaia 55:1-3)

1. Jehovah, Jehovah,

Ilay tsy mivadika,

Nanome ny Zanany

Mba hamonjy ny olony.

Hotahiny isika.

Izy dia fitiavana.

(Averina isan’andininy)

2. Jehovah, Jehovah,

Ilay tsy mivadika.

Noho ny fitiavany,

Notendreny Jesosy

Mba hitondra ny tany,

Hanao ny sitrapony.

(Averina isan’andininy)

3. Jehovah, Jehovah,

Ilay tsy mivadika.

Be fitiavana izy,

Ka efa nirahiny

Ny “mpanompo mahatoky”,

Hiaro ny anarany.

(Averina isan’andininy)

4. Jehovah, Jehovah,

Ilay tsy mivadika.

Aoka ny fitiavana

No hibaiko antsika.

Ampio ny mpandefitra,

Omeo fampiononana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Indro ny ranon’aina,

Misotroa maimaim-poana.

Tia antsika Jehovah,

’Lay tsy mivadika.