Be Fitiavana Ireo Mpiandry ny ‘Ondrin’Andriamanitra’
Hira 184
Be Fitiavana Ireo Mpiandry ny ‘Ondrin’Andriamanitra’
1. Mpiandry tsara i Jehovah,
Tena tiany ny ondriny.
Mahasoa ny fiarovany
Sy ny fitarihany.
2. Kristy koa nanendry mpiandry,
Mba hanampy antsika.
Izy ’reo manompo tsara
Sy mahay mampianatra.
3. Ry mpiandraikitra kristianina,
Ampianaro ny “ondry”
Mba hitombo fahendrena,
Ka handroso hatrany.
4. Mampahery ny mitory
Ny fahamarinana.
Mazotoa, miaraha manompo,
Aza mba mivadika.