Derao i Jah!
Hira 165
Derao i Jah!
1. Derao i Jah, ’lay Mpanjaka.
Ankalazao izy fa mendrika.
Deraintsika ny anarany,
Satria Mahery Indrindra izy,
Satria Mahery Indrindra izy.
2. Derao i Jah, Ray be fitia,
Mahari-po amin’ny olony.
Lehibe tokoa ny heriny.
Hotorintsika ireo asany.
Hotorintsika ireo asany.
3. Derao i Jah, ’lay Mpanao soa
An’ireo matoky azy tokoa.
’Zay reraka dia ampiany.
Koa lazao ny hatsaran-toetrany.
Koa lazao ny hatsaran-toetrany.
4. Derao i Jah, miantra izy,
Akaikin’izay miantso azy.
Haringany ireo ratsy,
Fa izay tia azy arovany.
Eny, ’zay tia azy arovany.