Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Derao i Jehovah Andriamanitsika!

Derao i Jehovah Andriamanitsika!

Hira 100

Derao i Jehovah Andriamanitsika!

(Jeremia 33:11)

1. Derao Jah! Derao Jehovah!

Torio ny voninahiny!

Mifalia ary mihirà,

Satria izy no Mpamorona.

Ny zava-drehetra nataony,

Mampiseho ny fitiavany.

Be fahendrena sy hery izy

Ary koa tia ny rariny.

Derao Jah! Derao Jehovah!

Torio ny voninahiny!

2. Derao Jah! Derao Jehovah!

Lazao ny hatsaram-pony!

Lehibe ny fitiavany

Sy ny hatsaram-panahiny.

Mahery Indrindra i Jehovah,

Nefa tsara fanahy tokoa.

Raha toa mitady azy ’sika,

Hanehoany famindram-po.

Derao Jah! Derao Jehovah!

Lazao ny hatsaram-pony!

3. Derao Jah! Derao Jehovah!

Ambarao ny Fanjakany!

Ambarao eran-tany fa

Jehovah no tena mendrika.

Efa manjaka izao i Kristy,

Manompoa an’i Jehovah.

Manaova hira fiderana,

Ary aza mivadika.

Derao Jah! Derao Jehovah!

Ambarao ny Fanjakany!