Derao i Jehovah, ry Zavaboary Rehetra!
Hira 5
Derao i Jehovah, ry Zavaboary Rehetra!
1. Derao Jah, ry zavaboary;
Derao ny anarany.
Isan’andro, ’reo anjely
Dia faly mihoby azy.
2. Volana sy masoandro
Ary koa ny kintana,
Dia voafehin’ny lalàna
Napetrak’i Jehovah.
3. Indreo koa ny “ondry hafa”,
’Zay nandray ny marina.
Faly izy ’reo eto an-tany,
Midera an’i Jehovah.
4. Ny vahoakan’i Jehovah
Tonga mba hidera azy.
Avo Indrindra i Jehovah,
Tompo Fara Tampony.