Efa Akaiky ny Fotoana Voatondro
Hira 137
Efa Akaiky ny Fotoana Voatondro
1. Jehovah, Ray Masina,
Vatolampy ianao.
Efa manakaiky ’zao
Ny andro fitsaranao,
Na somary ela aza,
Tsy ho diso aoriana. Ny
Farany andrasanay
Dia azo antoka.
2. Tsy ho ela dia hiseho
Ny voninahitrao.
Ny fivavahana madio,
Efa naverinao.
Manaratsy ’reo tsy tia,
Manohitra anay, fa
Tonga izao ny fotoana
Hamonjenao anay.
3. Tompo Fara Tampony
Ianao, ry Jehovah.
Hahita ny herinao
Ny tany rehetra.
Notendrenao hanjaka
I Jesosy Kristy, ka
Ilay Fanjakanao no
Hitondra ny tany.
4. Asandratray ny feonay
Hidera anao, ry Ray.
Ianao sy ny Zanakao
No hamonjy anay.
’Lay fotoana voatondro,
Efa akaiky ’zao; ka
Andrandrainay fatratra
Ilay fandresenao.