Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ekeo Hatrany ny Fandaharan’Andriamanitra

Ekeo Hatrany ny Fandaharan’Andriamanitra

Hira 8

Ekeo Hatrany ny Fandaharan’Andriamanitra

(1 Korintianina 14:33)

1. Ianareo mpitory ’lay Fanjakana,

Andeha ambarao ny fahamarinana.

Mankatoava foana an’i Jehovah.

Ary aok’ isika tsy hivadika.

(Averina isan’andininy)

2. Mitarika antsika Jesosy Kristy.

Koa aoka isika hankatò azy.

Ady ara-panahy no atrehintsika.

Ny firaisan-tsaina no ilaintsika.

(Averina isan’andininy)

3. Manampy tokoa ny fanahy masina

Sy ilay “mpanompo” voatendrin’i Jah.

Tohizo hatrany ny fanompoana,

Ary ampifalio ny fon’i Jehovah.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Miaro antsika sy tia antsika

Jehovah Raintsika.

Ekeo hatrany ny fahefany,

Aza mba mivadika.