Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ekeo Ilay Mpanjaka Vaovaon’ny Tany

Ekeo Ilay Mpanjaka Vaovaon’ny Tany

Hira 168

Ekeo Ilay Mpanjaka Vaovaon’ny Tany

(Salamo 2:12)

1. Indreny fa manatona

Ny tafik’i Jehovah,

Mandroso, tsy matahotra,

No sady miray saina.

Manao fiarovan-doha izy,

Ny famonjena entiny.

Ambarany eran-tany:

“Efa manjaka Kristy.”

(Averina isan’andininy)

2. Mitarika azy ’reo Kristy,

Ka tsy ho resy izy.

Ny Tenin’Andriamanitra

No sabatra ampiasainy.

Manao kiraro koa izy,

Ny vaovao tsara toriny;

Ka vonona ho faty izy,

Hanaraka an’i Kristy.

(Averina isan’andininy)

3. Jesosy dia manjaka izao,

Lehibe ny fahefany.

Tsy ho ela dia haringany

Ireo manohitra azy.

Ny herin’Andriamanitra

Ho fantatra eran-tany.

Koa mitandrema ianareo

Mpitondra eto an-tany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ankatoavy ’lay Mpanjaka

Notendren’i Jehovah.

’Zay rehetra matoky a-

zy dia ho sambatra.