“Ento ny Ziogako”
Hira 224
“Ento ny Ziogako”
1. Ianareo ’zay reraka,
Kivy, na sahirana,
Kristy manatanjaka
Sy mamelombelona.
2. ‘Raiso ny fitiavako,
Mianara amiko,
Fa manetry tena am-po
Sy tsara fanahy aho.’
3. ‘Maivana ny ziogako,
Mora entina tokoa.
Ireo tia ny marina,
Homeko fiadanana.’
4. Matokia an’i Kristy,
Fa hanampy anao izy.
Manaraha ny diany,
Ento koa ny ziogany.