Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly Mandritra ny Andro

Faly Mandritra ny Andro

Hira 19

Faly Mandritra ny Andro

(Salamo 32:11)

1. Faly ’sika mandri-

tra ny andro rehetra,

Faly koa rehefa

Manao ny asantsika.

Tsy misy tsy ampy, Jah no manampy;

Koa inona no mbola ilaina?

Mahay mianina sy

Miadan-tsaina isika,

Miezaka hitoetra

Akaikin’i Jehovah.

Mijoroa hatrany, Aoka hifaly.

Hahomby foana ’zay hataontsika.

2. Faly ’sika nafa-

han’ny fahamarinana.

’Zay lazain’i Kristy

No ankatoavintsika.

Nampianatra izy, Namoy ny ainy,

Ka lasa mpanompon’i Jah ’sika.

Ilay Fanjakany

Mitondra fifaliana,

Ary ’lay “mpanompo”

Dia manampy antsika.

Ny fanantenana Sy fahazavana,

Ambarantsika amin’ny olona.

3. Faly ’sika manao

ny asa fitoriana.

Mahafaly tokoa

Ny manampy ’reo liana.

Mifandraisa tsara, Mifankatiava,

Mba hiray saina amin’ireo rahalahy.

Mitoria hatrany,

Mifalia isan’andro.

Vahoaka be tokoa

No indreo fa mitombo.

Koa satria Jehovah miahy antsika,

Dia izy no derao amin’ny fo.