Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly Midera An’i Jehovah

Faly Midera An’i Jehovah

Hira 75

Faly Midera An’i Jehovah

(Salamo 63:5)

1. Isika faly hatrany

Midera an’i Jehovah,

Satria isika omeny

Izay rehetra ilaintsika.

Fo feno hafaliana

No iderantsika azy,

Ka hiravoravo tokoa ’sika,

Hisaotra azy hatrany.

2. Nomen’i Jah ny Zanany

Mba hamonjena antsika.

Hidera ny anarany,

Hivavaka aminy ’sika.

Te ho sakaizany ’sika,

Tena sarobidy ’zany.

Tsy mba hiova na koa hangatsiaka

Ny fitiavantsika azy.

3. Tena mahery Jehovah;

Tiantsika ireo lalàny.

Manompo azy isika,

Satria mahafaly ’zany.

Ny aloky ny elany

Miaro hatrany antsika;

Ka ny fontsika hisaotra azy

Ary ho tia azy foana.