Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampanantenana Fiainana Mandrakizay

Fampanantenana Fiainana Mandrakizay

Hira 109

Fampanantenana Fiainana Mandrakizay

(Salamo 37:29)

1. Jehovah mampanantena

Fiainana mandrakizay.

Ho Paradisa ny tany,

Ho lavorary indray.

(Averina isan’andininy)

2. Ireo fampanantenany,

Tsy maintsy tanteraka.

Handova ny Paradisa

’Reo malemy fanahy.

(Averina isan’andininy)

3. Manome toky Jehovah

Fa ho vaovao ny tany.

Hirotsaka toy ny ando

Ireo fitahiany.

(Averina isan’andininy)

4. Haverina indray, hoy Kristy,

Ny tany paradisa.

Hidera an’i Jehovah

Ny olon-drehetra.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Hiaina mandrakizay

’Reo manompo ny Ray.

Azo itokiana

Ny Tenin’i Jah.