Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fankasitrahana ny Faharetan’Andriamanitra

Fankasitrahana ny Faharetan’Andriamanitra

Hira 81

Fankasitrahana ny Faharetan’Andriamanitra

(2 Petera 3:15)

1. Jehovah ô, mahery ianao,

Nanao izao rehetra izao.

Ny lanitra sy ny tany

Dia manambara izany.

Faly tokoa ’reo tia anao

Mandinika ny voarinao.

Ny olona ho sambatra

Rehefa ianao no manjaka.

2. Tianao tokoa ny rariny,

Haringanao ireo ratsy.

Nefa maharitra ianao

Mba hamonjena ny olonao.

Faly ’zahay midera anao,

Satria mahari-po ianao.

Ho be ny fiadanana

Rehefa ianao no manjaka.

3. Fohy ny fotoana tavela,

Torinay ny vaovao tsara.

Ambaranay ’reo toetranao,

’Zay hazavain’ny Teninao.

Koa ampianay ny olona

Hahazo ny famonjena,

Hanandratra fiderana,

Satria ianao no manjaka.