Fanoloran-tena ho An’Andriamanitra
Hira 13
Fanoloran-tena ho An’Andriamanitra
1. Ny lanitra sy ny tany
Nataon’i Jehovah,
Ka azy ’zao rehetra izao;
Izy no Mpanjaka.
Mendri-piderana izy,
Satria Mpamorona.
Koa aoka hivavaka aminy
Ny olona rehetra.
2. Ny Israely fahiny
Nivoady tao Sinay:
‘Ny didy ’zay nomen’i Jah
Dia hankatoavinay.’
Efa vahoaka voafidy
Ilay firenena,
Ka tsy tokony hivadika
Amin’Andriamanitra.
3. Natao batisa Jesosy,
Nanetry tena izy.
Ny sitrapon’i Jehovah
No nifantohany.
Izy nanaiky ny Rainy,
Ka tsy nivadika.
Voahosotry ny fanahy izy,
Voatokana ho an’i Jah.
4. Indreto ’zahay Jehovah,
Mba hankalaza anao.
Nanolo-tena izahay
Hanao ny sitrakao.
Novidinao lafo ’zahay,
Nomenao i Kristy.
Ho anao lalandava izahay,
Na velona na maty.