Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanomezana Sarobidy avy Amin’Andriamanitra ny Zanaka

Fanomezana Sarobidy avy Amin’Andriamanitra ny Zanaka

Hira 164

Fanomezana Sarobidy avy Amin’Andriamanitra ny Zanaka

(Salamo 127:3, 4)

1. Fanomezana ny zanaka,

Avy amin’Andriamanitra.

Ampiofano tsara izy ’reo,

Mba ho hendry sy ho matotra.

Tena ilaina

Ny famaizana,

Fa manàna fahalemem-panahy.

Mivavaha mba hahomby foana.

2. Ilaintsika ny fahaizana,

Hamantarana ny ao am-pony.

Ampianaro ho tia ny marina

Izy ’reo dieny mbola kely.

Manomboha aloha,

Tohino ny fo.

Angataho ny fanampian’i Jah,

Ka ’zay lazainy arahina.

3. Mifampiresaha isan’andro,

Dia hatoky anao ny zanakao.

Holazainy ’zay ao am-pony,

Ho sakaizany foana ianao.

Aza masiaka,

Miresaha tsara.

Aoka ho modely koa ianao,

Mba harahin’ireo zanakao.

4. An’i Jehovah ny zanakao,

Lova nankininy taminao.

Ampianaro tsara izy ’reo,

Dia handray valisoa ianao.

Matokia foana

An’i Jehovah.

Isan’andro, izy no derao,

Miaraka amin’ireo zanakao.