Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Fantaro Tsara Izay Zava-dehibe Kokoa’

‘Fantaro Tsara Izay Zava-dehibe Kokoa’

Hira 210

‘Fantaro Tsara Izay Zava-dehibe Kokoa’

(Filipianina 1:10)

1. Ny fitiavantsika dia ho

An’i Jehovah,

Fa zava-dehibe tokoa

Ny fitiavana.

Aok’ isika hifankatia, ho tia rariny,

Ary hanao ny marina,

Hiezaka tsy hanan-tsiny,

Hazoto hiasa ho an’i Jah.

2. Ilaintsika ihany koa ny

Mankasitraka

Sy mankatò amin’ny fo,

Ka tsy mivadika.

Aok’ isika hihavana amin’ny olona,

Hitory ’lay Fanjakana,

Hanao soa, hanampy ny hafa

sy tsy hanafintohina.

3. Iezahantsika ny ho tsara

Fitondrantena,

Hanetry tena, ka hihai-

no torohevitra.

Aok’ isika hankalaza an’i Jehovah,

Ho tia ny fahamarinana.

Miezaha hamantatra i-

reo zava-dehibe indrindra.