Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiahiana “ny Andian’ondrin’Andriamanitra”

Fiahiana “ny Andian’ondrin’Andriamanitra”

Hira 101

Fiahiana “ny Andian’ondrin’Andriamanitra”

(1 Petera 5:2)

1. Mpiandry Tsara i Jesosy,

Tena tia ny ondriny,

Namoy ny ainy ho antsika.

Modelintsika izy.

2. Tia ny “ondry” ireo mpiandry,

Dia ireo anti-panahy

Matotra sy be fiahiana,

Modely ho antsika.

3. Ampianaro ireo “ondry”,

Anehoy fitiavana.

Koa mahareta, ampio izy

Mba ho lasa matotra.

4. Miray saina ireo “ondry”,

Ka mandray fitahiana.

I Jehovah sy Jesosy,

Mpiandry be fitiavana.