Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fisaorana An’ilay Mpanome Aina

Fisaorana An’ilay Mpanome Aina

Hira 167

Fisaorana An’ilay Mpanome Aina

(Salamo 36:9)

1. Jehovah Rainay, derainay ianao.

Nanolo-tena ho anao ’zahay.

Indreto ’zahay mba hisaotra anao.

Jesosy Kristy no modelinay.

2. Jehovah Tompo sy Mpanjakanay,

Manaiky anao ’zao rehetra izao.

Hanompo anao no fanirianay,

Tianay ny hanao izay sitrakao.

3. Miorina izao ny Fanjakanao;

Mifandray tsara aminao ’zahay.

Mba omeo anay ny fahendrenao,

Ianao irery no ivavahanay.

4. Ankamaminay ny fanompoanay,

Ka hotorinay ireo toetranao.

Tahio, Jehovah, ny fiezahanay,

Mba omeo anay ny fanahinao.