Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivoriana Amim-piraisan-tsaina

Fivoriana Amim-piraisan-tsaina

Hira 65

Fivoriana Amim-piraisan-tsaina

(Salamo 133)

1. Jereo fa miray saina

Ireo mpirahalahy,

No sady miara-miasa

Amim-pitiavana!

Mirotsaka amin’izy ’reo

Ny fitahian’i Jah,

Toy ny andon’ny maraina,

Mamelombelona.

2. Aok’ isika hazoto

Hiara-mivory,

Hanome valin-teny

Sy hifampahery.

Koa mazotoa manomana

Ireo fivoriana,

Ho vonona hitory ny

Fahamarinana.

3. Ireo mpiara-mivory,

Manohana antsika.

Ny Tenin’i Jehovah

Dia manatanjaka.

Koa mazotoa mianatra

Any am-pivoriana,

Satria efa akaiky ’zao

Ny andron’i Jehovah.