Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fonenanay Ianao, Jehovah

Fonenanay Ianao, Jehovah

Hira 135

Fonenanay Ianao, Jehovah

(Salamo 90:1)

1. Fonenanay ianao, Jehovah.

Ianao no Andriamanitray.

Talohan’ny zava-drehetra

Ianao, ’lay nisy hatrizay.

Mpanjaka mandrakizay ianao,

Tsy miova ny fitiavanao.

’Zahay dia “vovoka” ihany,

Kanefa dia novonjenao.

2. Mandalo ny arivo taona,

Toy ny iray andro aminao.

Toy ny ahitra ’zay mora maina

’Zahay eo anatrehanao.

Fitopolo na valopolo

Ny taonan’izay mateza,

Kanefa feno fahoriana,

Fijaliana sy tahotra.

3. Ampianaro izahay hanisa

’Reo andro sisa iainanay,

Sy hampitombo fahendrena,

Ka ianao no hoderainay.

Ny fitiavanao, Jehovah,

Aoka hitoetra aminay.

Tahio ny asanay rehetra,

Tahio re ny fanompoanay!