Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hafanam-po ho An’ny Tranon’i Jehovah

Hafanam-po ho An’ny Tranon’i Jehovah

Hira 31

Hafanam-po ho An’ny Tranon’i Jehovah

(Jaona 2:17)

1. Feno zotom-po Jesosy

Niaro ny tranon’i Jah,

Tsy nandefitra ny ratsy,

Fa nanao ny marina;

Ka nitory famonjena

Ho an’ny mahitsy fo,

Nankalaza an’i Jehovah

Sy nafana fo tokoa.

2. Ireo Kristianina fahiny

Dia nazoto niasa koa.

Noho ny herin’ny fanahy,

Izy ’reo dia nitombo;

Tsy niahotra nitory,

Nandeha isan-tanàna,

Nitory ny famonjena

Sy ny fibebahana.

3. Misy koa ankehitriny

Vahoaka mafana fo,

Tia ny tsara, na eo aza

Ny ratsy mihamitombo.

Jehovah manampy azy

Mba hiasa amin’ny fo

Sy hazoto hanambara

Ny Fanjakan’ny Tompo.