Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Henoy ny Hafatr’i Joda

Henoy ny Hafatr’i Joda

Hira 22

Henoy ny Hafatr’i Joda

(Joda 21)

1. Mba saintsaino lalina

Ny tenin’i Joda,

Voasoratra ho antsika

Fandrao lavo isika;

Torohevitra mafonja

Hiaro sy hanamafy

Ny finoantsika sarobidy (sarobidy).

2. Nampitandrina izy

Hiala amin’ny ratsy,

Ary hanalavitra

Ny hevitr’i Satana,

Izay te hitaona antsika

Hiala amin’i Jehovah.

Ny Devoly dia mamitaka (mamitaka).

3. Rehefa mitaona antsika

Ny olona mpanota,

’Sika tsy hivadika,

Satria tia an’i Jah;

Ka ho mailo foana isika

Noho ny hafatr’i Joda,

Tsy handao ny fahamarinana (ny marina).

4. Miezaka mafy ’sika

Hiaro ny finoana,

Ary ho tsara fanahy

Sy ho tia ny olona.

Omentsika an’i Jehovah

Sy Jesosy Zanany,

Ny haja mendrika ho azy (mendrika azy).