Henoy ny Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana
Hira 139
Henoy ny Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana
1. Izao no vaovao tsara ambarantsika:
‘Manjaka Kristy, ka henoy izy.
’Lay fahavalontsika dia haringana;
Koa ny tontolo ratsy ialao haingana.’
(Averina isan’andininy)
2. Irahin’i Jehovah hitory ’sika:
“Ry mpandefitra, aza ketraka,
Fa Kristy hanafoana ny fijaliana,
Ny fahantrana sy ny fanaintainana.”
(Averina isan’andininy)
3. ’Zay vonona hanaiky an’i Jehovah,
Tia ny marina, no ho sambatra.
Tahin’i Jehovah ’reo tsy mivadika,
Mikatsaka hatrany ’lay Fanjakana.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Aoka ny ratsy mba hibebaka,
Aok’ izy hiova, hanao ny marina.
Mamindra fo, mamela heloka
I Jehovah, be fitiavana.