Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hiaraka Amin’i Kristy any Amin’ny Paradisa

Hiaraka Amin’i Kristy any Amin’ny Paradisa

Hira 218

Hiaraka Amin’i Kristy any Amin’ny Paradisa

(Lioka 23:43)

1. Kristy nampanantena fa

Hatsangana ilay jiolahy.

Ny Tenin’Andriamanitra

Manome toky fa

Hisy Paradisa;

Ka ny fahafatesana

Hofoanan’Andriamanitra.

Noraisintsika rehetra

Ny fahamarinana,

Ka faly Jehovah.

2. Ny “ondry hafa” rehetra

Dia miandry ny Paradisa.

Matoky mantsy izy fa

Ny fikasan’i Jah

Dia ho tanteraka.

Koa mivavaha isan’andro,

Sy manompoa amin’ny fo.

Jehovah no deraintsika.

Koa mifalia foana,

Aza mivadika.

3. Andrasantsika hatrany

’Lay Paradisa an-tany.

’Reo asa mahatalanjona

Nataon’i Jehovah,

Efa hitantsika.

Torio ilay vaovao tsara,

Mba hampifaly ny olona,

Sy hahazoany fiainana,

Rehefa ho tonga

Ilay Paradisa.