Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hidera An’i Jehovah Aho

Hidera An’i Jehovah Aho

Hira 1

Hidera An’i Jehovah Aho

(Salamo 103)

1. Jehovah no hoderaiko,

Fa lehibe ny anarany.

Mampifaly ny fontsika

Sady mamela heloka izy.

Miantra sy mahari-po izy;

Jehovah dia mamindra fo.

Ary ’zay matahotra azy,

Hanehoany hatsaram-po.

2. Miantra toy ny ray Jehovah,

Fantany ’sika fa vovoka,

Tahaka ny voninkazo,

’Zay mora maina eny an-tsaha.

Ny hatsaram-pon’i Jehovah,

Ho antsika ’zay mankatò.

Koa tandremo ny lalàny,

Mba hahazoanao valisoa.

3. Lehibe tokoa Jehovah,

Tena Mpanjaka mahery izy.

Ireo asany rehetra

Mitory ny voninahiny.

Ianareo anjeliny maro,

Derao izy fa be fitia.

Jehovah no hoderaiko,

Fa lehibe ny anarany.