Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira ho An’i Jehovah

Hira ho An’i Jehovah

Hira 190

Hira ho An’i Jehovah

(Salamo 92:1, 2)

1. Ny hira ’zay ataontsika

Dia fiderana an’i Jah,

Izay mitari-dalana

Antsika olony.

Jehovah dia fitiavana

Sy feno hatsaram-panahy.

Manaiky azy isika,

Satria mpanompony.

2. Isaorantsika Jehovah,

Niavian’ny fahazavana

Sy ny fahamarinana

Mampionona ny fo.

Ny Fanjakan’i Jehovah

Sy ny fanantenantsika,

Manampy antsika tsy hanahy,

Ho faly isan’andro.

3. Koa velon-kira isika

Manompo an’i Jehovah.

Ny vavaka ataontsika

Dia vokatry ny fo:

“Midera anao ’zahay, ry Ray,

Mba raiso ny fisaoranay.

Henoy ny fitarainanay,

Ry Jehovah Tompo.”