Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hiram-pandresena

Hiram-pandresena

Hira 171

Hiram-pandresena

(Eksodosy 15:1)

1. ‘Derao Jehovah, fa nisandratra avo indrindra.

Naringany mantsy Farao sy ny tafiny.

Jehovah no heriko, fa izy namonjy ny aiko,

Hasandratro fa Andriamanitro.

Ireo miaramilan’i Farao dia maty tao an-dranomasina.

Ny sandrinao tokoa, ry Jehovah, No mahery indrindra.’

2. Ny Israely nihira satria avy nandresy.

Isika izao koa dia handresy noho i Jah.

Kristy efa manjaka. ’Ty tontolo ity ho rava,

Koa mifalia satria ho voavonjy.

Ilay Dragona sy ’reo anjely ratsy, nazera teto an-tany.

Handresy azy ny Zanak’ondry. Hanjaka ny rariny.

3. Derao Jehovah, satria azy ny hery sy laza.

Ilay Fanjakany, hanao ady farany.

Omeo voninahitra Jehovah Mpanjakantsika.

Tanteraka ny fikasan’i Jah;

Ka isaorantsika Jehovah sy Kristy, ’zay mamonjy antsika.

Koa asandrato ny hirantsika, ’Lay hiram-pandresena.