Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hiram-pifaliana

Hiram-pifaliana

Hira 208

Hiram-pifaliana

(Apokalypsy 11:15)

1. Kristy manjaka, mifaly ’sika,

Feona trompetra izao no re.

Maneran-tany, torio izany,

Aoka isika hihira hoe:

(Averina isan’andininy)

2. Torio hatrany ’lay Fanjakany,

Mba ho voavonjy ny marina.

Izy ’reo indray, manompony Ray,

Ka manao hiram-pifaliana.

(Averina isan’andininy)

3. Miara-mandroso, Miara-manompo,

Mifankatia ’reo mpirahalahy.

Asandratsika ny hirantsika,

Ho fiderana an’i Jehovah.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Andron’i Jehovah, (Mihobia.)

Izy no Mpanjaka, (Mifalia.)

Ry tany rehetra, (Mihobia.)

Izao no hira ataontsika:

“Derao Jehovah sy Kristy Tompo,

Izay Mpamonjy ny marina.”