Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Vaovao ny Zava-drehetra

Ho Vaovao ny Zava-drehetra

Hira 187

Ho Vaovao ny Zava-drehetra

(Apokalypsy 21:4)

1. Nanomboka ny Fanjakan’i Kristy,

Efa tonga ny andro farany.

Nandresy izy tany an-danitra,

Hatao izay sitrak’i Jehovah.

(Averina isan’andininy)

2. I Jerosalema Vaovao ihany koa

Dia voaravaka amin’ny vatosoa.

Ny vadiny dia ny Zanak’ondry,

Ka Jehovah no manazava azy.

(Averina isan’andininy)

3. Jereo ’lay tanàna fa mahatehotia,

Mivoha foana ny vavahadiny.

Ireo firenena manatona,

Maneho taratry ny hazavana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Koa mifalia, ry olona,

Eo aminareo Jehovah!

Ho foana ny fahafatesana,

Ny alahelo sy aretina.

“Ataoko vaovao”, hoy Jehovah,

‘Ny zavatra rehetra.’