Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hobio Ilay Mpanjaka Be Voninahitra!

Hobio Ilay Mpanjaka Be Voninahitra!

Hira 176

Hobio Ilay Mpanjaka Be Voninahitra!

(Salamo 24:7)

1. Hobio i Jehovah Mpanjaka Mahery,

’Lay tompon’ny lanitra sy ny tany.

Na manohitra aza ireo firenena,

Dia hahazo fandresena i Jehovah sy Kristy.

‘Misandrata ianareo, ry vavahady.’

Manakoako ny hiram-pandresena.

Ho tonga ny Fanjakana Arivo Taona,

Hitondran’i Kristy ny fiadanana.

Mahery tokoa ilay Mpanjakantsika.

Ny olona rehetra hanaiky an’i Jah.

2. Jehovah irery no Avo Indrindra,

Ilay Fanjakany tsy hifarana.

Hobio izy fa mendrika hoderaina.

Mivavaha sy miankohofa eo anatrehan’i Jah.

Aoka hovohaina ireo vavahady,

Mba hidiran’ilay Mpanjakantsika;

Fa ‘Jehovah Tompo dia mpiady mahery.’

’Reo manompo azy dia hotahina.

Atolory azy ny tsara indrindra.

Hobio ilay Mpanjaka be voninahitra!