Hobio ny Lahimatoan’i Jehovah!
Hira 105
Hobio ny Lahimatoan’i Jehovah!
1. Aok’ isika hihoby
Ny Lahimatoan’i Jah,
Dia ilay nahariana
Ny zava-drehetra.
Nitory foana izy
No sady nankatò.
’Zay nolazain’ny Rainy
Nataony avokoa.
2. Nanetry tena izy
Na dia ambony aza,
Tsy niezaka hitovy
Tamin’i Jehovah.
Nandao ny lanitra izy
Noho ny anaran’i Jah,
Ka tonga mba hamonjy
Ny olombelona.
3. Nasandratr’i Jehovah
I Jesosy Kristy.
Ny anaran’ny Rainy
Hohamasininy.
Ao Hara-magedona,
Harovany ’sika.
Haringany ’reo ratsy;
Hisy fiadanana.
4. Faly ’sika mihoby
Ny Lahimatoan’i Jah.
Ambarao isan-trano
Ny fahamarinana.
Torio ’lay Fanjakana,
Ny olona ampio.
Lazao ireo rahalahy hoe:
“Jesosy no hobio!”