Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Hira Vaovao

Ilay Hira Vaovao

Hira 169

Ilay Hira Vaovao

(Salamo 98:1)

1. Derao Jehovah, manaova hira vaovao.

Ny asany mahagaga, torio sy ambarao.

Izy no derao fa lehibe ny heriny.

Raha mitsara izy, manao ny rariny.

(Averina isan’andininy)

2. Hobio Jehovah, ry firenena rehetra.

Mihirà ho azy amim-pifaliana.

Izy no derao, ka asandrato re ny feo;

Tsofy ny trompetra, ny lokanga tendreo.

(Averina isan’andininy)

3. Ranomasina, manaova feo fiderana.

Izay eto an-tany, hobio i Jehovah.

Tendrombohitra, derao ny Avo Indrindra.

Ry rano sy riaka, samia mankalaza.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mihirà

’Lay Hira Vaovao.

Mihirà,

Jehovah no derao.