Ilay Mofo avy any An-danitra
Hira 150
Ilay Mofo avy any An-danitra
1. Ry Rainay Avo Indrindra,
Ianao tsy miova hatrizay.
Ianao no hoderainay,
Ny anaranao hohajainay.
Ny olonao fahiny
Dia notarihinao
Sady nomenao mana,
Noho ny fitiavanao.
Ny vatolampy aza
Namoaka ranomamy koa;
Ka faly ’lay vahoaka,
Satria nandova tany soa.
2. ’Lay Zanakao malala
No tena mana ho anay,
Tonga tetỳ an-tany,
Hanala ny fahotanay.
Kristy no mofon’aina
Avy any an-danitra.
Ny tenany nomeny,
Hamonjy ny olona.
Koa raiso isan’andro
’Lay mofo mahavelona.
Hatanjaho ny finoana,
Aoka hadio ny fontsika.
3. Zarao amin’ny hafa
’Lay mofon’ny fiainana,
Fa maro ireo noana,
’Zay mila ny vaovao tsara.
Ampio ireo mitady
Ny fahamarinana,
Hahazo famonjena,
Handray fitahiana.
Ireo ’zay tafavoaka
Amin’ny Hara-magedona,
Hifaly sy hihoby,
Hidera an’Andriamanitra.