Ilay Paradisa Ankehitriny sy Ilay ho Avy
Hira 220
Ilay Paradisa Ankehitriny sy Ilay ho Avy
1. Jehovah Tompo nanome ny
Paradisa ara-panahy.
Ny fivoriana, mampahery
Sy mampianatra antsika.
Misaotra, Jehovah,
Noho ny Teninao.
Tena mahafaly
Ny manompo anao.
Mahatonga anay hiray saina
Ny fitiavanay anao.
Ny olon-kafa dia ampianay
Mba ho lasa ‘ondrinao.’
2. Ny Zanakao dia notendrenao
Mba hitondra ny tany.
Rariny foana ’zay ataony,
Mankatò anao izy.
Ny vahoakanao dia
Mankalaza anao,
Satria mahalala
Ny fikasanao.
Irinay koa ny mba ho hendry,
Hadio fitondran-tena,
Mba hanampiana ireo “ondry”
Tsy ho tafintohina.
3. Ho faly ’sika rehefa vita
Ny Hara-magedona,
Ka hogadraina i Satana
Amin’ny Arivo Taona.
Ireo maty kosa
Hatsangan’i Jah,
Havela handova
Ny Paradisa.
Ho lavorary ny rehetra,
Noho ny soron’i Kristy,
Ary hifaly eto an-tany,
Ho mandrakizay doria.