Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Indro ny Andron’i Jehovah!

Indro ny Andron’i Jehovah!

Hira 195

Indro ny Andron’i Jehovah!

(Salamo 118:24)

1. Manjaka Jehovah. Kristy voahosotra

Ho Fehizoron’ny Fanjakany.

Asandrato ny feo, Misaora ianareo,

Ka manehoa finoana an’i Jesosy.

(Averina isan’andininy)

2. Efa antomotra Hara-magedona.

Jesosy handresy ny Devoly.

Torio lalandava ny fikasan’i Jah.

Ampio ’reo “ondry” hankatò ny didiny.

(Averina isan’andininy)

3. Kristy no Mpanjaka ’zay notendren’i Jah.

Ny fahefany no ekentsika.

Jehovah manampy ireo mpanompony,

Izay manao ny fanompoana masina.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Inona moa no fitahiana

Hoentin’ilay Fanjakana?

Ny zava-tsoa sy fifaliana

Ao amin’ny Paradisa.

Derao Jehovah Mpanjaka,

Mpanome fiadanana.