“Inty Aho, Iraho Aho”
Hira 204
“Inty Aho, Iraho Aho”
1. Ny anaranao, ry Jehovah,
Dia haratsin’ny olona.
Adala izay miteny fa
“Tsy misy Andriamanitra.”
Iza no hanamasina
Ny anaranao, ry Jehovah?
“Ry Tompo, inty aho, iraho
Hidera ny anaranao;
(Averina isan’andininy)
2. Tsy atahoran’ny olona
Ny fitsaran’i Jehovah.
Ny sampy no mba tompony,
Kaisara no mba tokiny.
Iza no hampitandrina
Fa hisy fandringanana?
“Ry Tompo, inty aho, iraho
Hitory momba ny herinao;
(Averina isan’andininy)
3. Mijaly ny mpandefitra,
Fa ratsy ny fiainana.
Mitady fiadanana
’Reo tia ny fahamarinana.
Iza no hampionona
Ny malahelo rehetra?
“Ry Tompo, inty aho, iraho
Hampianatra ’reo tia anao;
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Iriko ny hankalaza anao.
Inty aho, Tompo, iraho.”