Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Zava-tsoan’Andriamanitra

Ireo Zava-tsoan’Andriamanitra

Hira 25

Ireo Zava-tsoan’Andriamanitra

(Mpitoriteny 3:11)

1. Ara-potoana avy

’Reo zava-tsoan’i Jah.

Sakafo sy asa

Dia fanomezana.

Ny hiaina ho doria

Efa ao am-pontsika,

Ka ny mandrakizay

No antenaintsika.

2. Ny fikasan’i Jah

Ho an’ny olony

Dia ny ho sambatra

Sy hiaina ho doria.

Ho faly ny olona

Hanao ny asany,

Satria i Jehovah

Mitoetra eo aminy.

3. Sarobidy tokoa

Ny asa lehibe iray,

Dia ny manambara

’Reo zava-tsoan’ny Ray.

Mahasambatra antsika

Io fanomezana io,

Zavatra mendrika

Ananantsika anio.

4. Amim-pahendrena

No aoka hiainanao.

Ny fikasan’i Jah,

Torio sy ambarao.

Manaova ny tsara,

Izany dia lova.

Ny zava-drehetra,

Ho an’i Jehovah.