Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Isan-trano”

“Isan-trano”

Hira 32

“Isan-trano”

(Asan’ny Apostoly 20:20)

1. Torintsika isan-trano

Ny Teny soan’i Jah.

Tsidihina isan-tanàna

’Reo tia ny marina.

Kristy efa nilaza fa

Tsy maintsy torina

Ny Fanjakan’i Jehovah,

’Zay efa miorina.

2. Koa isam-baravarana

No itoriantsika

Ny anaran’i Jehovah

Sy ny famonjena.

’Zay no hanampy ny olona

Hiantso an’i Jah.

Ny Anarany Masina

Tsy maintsy ambara.

3. Kanefa tsy ny rehetra

No hihaino antsika;

Ao koa ireo mandrahona

Sy maniratsira.

Toy izany koa tamin’ny

Andron’i Jesosy.

Ny “ondry” no nihaino azy;

Koa aza mba kivy.

4. Koa ambarao isan-trano

Ny vaovao mahafaly.

Hisafidy ny olona,

Ho “ondry” na “osy.”

Torio ny anaran’i Jah,

Ny marina lazao.

Rehefa mandeha isan-trano,

Ny “ondry” ho hitanao.