Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Ity no Lalana’

‘Ity no Lalana’

Hira 42

‘Ity no Lalana’

(Isaia 30:20, 21)

1. Jehovah manondro ilay lalana,

Nasehony antsika handehanana.

Nanendry mpanompo mahatoky izy,

Mba hitari-dalana ny olony.

Jereo fa io no lalanao.

Aza misalasala ianao!

Ny sofinao handre ’lay teny manao hoe:

‘Io no araho sy ambarao.’

Omen’i Jehovah ny fanahiny,

Hanampy antsika hanitsy ny dia.

2. Mahafaly antsika tokoa ny mandre

Ny feon’ilay Mpampianatra Lehibe.

Ianao tsy ho lavo raha mitandrina,

Ka mihaino tsara an’i Jehovah.

Araho izy io, fa lalana

Nohazavain’i Jehovah.

Manjaka izao Kristy, inoantsika izany;

Tsy ho ela ny fiadanana.

Aza miankavia na miankavanana.

Izory hatrany ilay lalana.

3. Torintsika ny lalan’i Jehovah;

Maro no mihaino sy mitandrina,

Toa voromailala ’zay mirohotra

Manatona ny tranon’i Jehovah.

Jehovah no manafaka

Sy manome fiadanana.

Tsy misy toa azy ’lay lala-mahitsy,

Dia fiainana maharitra.

Isika miandrandra ny fiadanana.

Banjino hatrany ’lay Fanjakana.