Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Izaho no Jehovah”!

“Izaho no Jehovah”!

Hira 61

“Izaho no Jehovah”!

(Isaia 42:8)

1. Ireo mpanjaka eran-tany

Manohitra an’i Jehovah.

Ny zony hitondra sy ny heriny,

Tsy eken’ireo firenena.

Fa iza no nampangina azy ’reo?

Iza no nandresy ny tafiny?

Sandrin’iza no nandringana azy ’reo,

Sy namonjy ’reo tia ny rariny?

(Averina isan’andininy)

2. Ireo mpanjaka miray saina

Hanohitra an’i Jesosy.

Mampahory ny mahantra izy ’reo,

Nefa ho resy ny tafiny.

Fa iza no handrava ny mandany,

Sy hanafaka ny mpandefitra?

Ary iza no hiaro ny mahitsy fo,

Hanome azy hoavy sambatra?

(AVERINA ISAN’ANDININY)

’Zaho Jehovah no Avo Indrindra,

’Zaho Jehovah no Andriamanitra.

Kristy Mpanjaka efa notendreko,

Ekeo ny fahefan’ny Zanako.