Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izao no Fotoana!

Izao no Fotoana!

Hira 129

Izao no Fotoana!

(Marka 13:10)

1. ’Zao tokoa no fotoana

Ho an’ny fitoriana.

Aza mba matahotra,

Ambarao ilay Fanjakana.

Ampitandremo ny olona

Fa ho rava i Babylona.

Ampio izy hanapa-kevitra,

Ka hanompo an’i Jehovah.

’Zao no fotoana fitoriana!

2. Izao koa no fotoana

Hanehoam-pitiavana;

Ka ampio ’reo rahalahy,

Ny tanora sy ny antitra.

’Zay manompo an’i Jehovah,

Hahazo fankasitrahana.

Arovy ny fahamarinana.

Aok’ isika tsy hivadika.

’Zao no fotoana fitoriana!

3. Tsy ho ela ny ady

Handresen’ny rariny,

Dia ho foana ny ratsy,

Ka ho Paradisa ny tany.

Kristy hanome ny fiainana.

Ireo maty dia hatsangana.

Tsy hisy intsony ny tahotra.

’Zay no fikasan’i Jehovah.

’Zao no fotoana fitoriana!