Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Izay Manetry Tena no Manam-pahendrena’

‘Izay Manetry Tena no Manam-pahendrena’

Hira 73

‘Izay Manetry Tena no Manam-pahendrena’

(Ohabolana 11:2)

1. Manetry tena isika

Mpanompon’Andriamanitra.

Ambony tokoa Jehovah,

Fa tsinontsinona isika.

2. Tsy lavorary isika,

Sy “mpanompo tsy mahasoa”,

Fa raha manetry tena dia

Handray fitahiana maro.

3. Ho “toy ny kely indrindra”

Isika mpianatr’i Kristy.

’Zay manambony tena dia

Mandà ny toroheviny.

4. Ireo matahotra an’i Jah

Dia tia sy manompo azy.

Izay manetry tena no

Ho hita fa tena hendry.