Jehovah, Andriamanitra Lehibe!
Hira 49
Jehovah, Andriamanitra Lehibe!
1. Jehovah Lehibe, Avo Indrindra,
Izahay midera anao, Ekenay ny lalanao.
Ianao no Rainay sy Mpanjakanay.
Mpanome Lalàna sy Mpitsara ianao.
Ry Jehovah, ianao dia tsara tokoa.
Ampio ’zahay hanompo amin’ny fo.
Ny anaranao no ankalazainay,
Hanompo na aiza na aiza izahay.
Ianao no Mpanao, Mpamelona anay,
Mpanome ny zava-tsoa.
2. Jehovah Lehibe, Tompon’ny hery,
Izahay mpanomponao, Faly mankatò anao.
Ry Mpiaro anay sy Fialofanay,
Ny sainay sy ny fonay matoky anao.
Ry Jehovah, mahery sy be fitia,
Ianao no manampy anay tsy hania.
Hifikitra aminao hatrany ’zahay,
Ho anao irery ny fanompoanay.
Ianao no Manda sady Ampinga.
Mitoky aminao ’zahay.
3. Jehovah Lehibe, Mpampianatra anay,
Tena tia anay ianao, Ny asanay dia tahinao.
Ry Mpamonjy anay, Vatolampinay,
Faly izahay mivavaka aminao.
Ry Jehovah, miantra sy tsara fanahy,
Ianao manome fampiononana.
Sarobidy aminay ny anaranao,
Tsy ho ela dia ho to ny fikasanao.
Jehovah Tompo, ianao irery
No Andriamanitra.