Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah, Herinay sy Tanjakay

Jehovah, Herinay sy Tanjakay

Hira 47

Jehovah, Herinay sy Tanjakay

(Isaia 12:2)

1. Jehovah, herinay sy tanjakay,

Mpamonjy anay ianao, ka derainay.

Hitory ny Teninao izahay,

Na mino ny olona na tsy mandray.

(Averina isan’andininy)

2. Jesosy manome fiadanana,

Hitanay ny fahamarinana.

Ianaranay izao ny didinao;

Safidinay ny manompo anao.

(Averina isan’andininy)

3. Faly ’zahay manao ’zay sitrakao,

Miantehitra sy mitoky aminao.

Na dia manenjika aza Satana,

Ampio ’zahay mba tsy hivadika.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah Tompo, Vatolampinay,

Ny anaranao Ambaranay.

Ny herinao no itokisanay.

Ianao, Jehovah, no Fialofanay.