Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah no Fialofantsika

Jehovah no Fialofantsika

Hira 85

Jehovah no Fialofantsika

(Salamo 91:1, 2)

1. Jehovah no Mpiaro

Itokisantsika.

Ny alok’i Jehovah

No fialofantsika,

Satria izy manafaka

Amin’ireo fakam-panahy.

Derao ’lay Vatolampy,

Mpanavotra antsika.

2. Jehovah hiaro anao

Rehefa alina,

Ho lavo anilanao

Ireo ratsy fanahy.

Tsy mba hatahotra ianao,

I Jehovah no tokinao;

Fa izy mampahery,

Mamonjy ny marina.

3. Irahin’i Jehovah

Ireo anjeliny,

Ka tsy hiharan-doza

Ireo mpanompony.

Ianao tsy mba hatahotra

Ny liona mierona.

Koa ianao tsy ho resy,

Tsy hivadika mihitsy.

4. Derao Jah, tokintsika,

’Lay tia ny rariny.

Arovy ny finoana,

Torio ny toetrany.

Ireo ’zay mahafoy tena

No hahazo famonjena.

Jehovah no Mpiaro,

Fialofantsika izy.