Jehovah no Mpamonjy Antsika
Hira 74
Jehovah no Mpamonjy Antsika
1. Tanteraka ny faminaniana izao.
Nazera Satana; ry tany, lozanao!
Efa manjaka ny Zanak’ olona, mihirà:
“Jah hamonjy antsika.”
(Averina isan’andininy)
2. Voasedra isan’andro ny finoantsika;
Tohero hatrany ireo fakam-panahy.
Tandremo tsara ny fitondran-tena masina;
Ho voavonjy ’sika.
(Averina isan’andininy)
3. Haringan’i Kristy izao ny Devoly,
Ireo fijaliana tsy hisy intsony;
Ka rehefa tonga ny Paradisa, hoy ’sika:
“Jah namonjy antsika.”
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Jehovah mamonjy ny mahatoky.
’Reo fahavalony hahita ny heriny.
Koa misaora an’i Jehovah, mankalazà.
Ny anarany no masina; derao i Jah.