Jehovah no Mpamorona Antsika
Hira 154
Jehovah no Mpamorona Antsika
1. Namorona ny tany Andriamanitra
Mba honenantsika olombelona.
Ireo anjely maro nihoby azy,
Rehefa nahita ny fahendreny.
2. Ho Paradisa kanto indray ny tany.
Fikasan’i Jehovah mantsy ’zany.
Ny fikomiana nitondra fahotana;
Ho foana ireo, ka ho faly ’sika.
3. Isika manantena ’lay Fanjakana,
’Zay handamina ny zava-drehetra.
Koa ambarao hatrany ’lay vaovao tsara.
Manafaka ny olona ny marina.
4. Jehovah ô, Mpamorona Lehibe ianao.
Tia anao ’zahay, ka mankalaza anao.
’Reo asa nataonao, feno fahendrena.
Ho anao irery ny fiderana.